Lasa zary fahazarana eo amintsika ny fifamonoana, indrindra rehefa sendra mahazoazo alikaola iny. Omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo, tovolahy iray izay vao 22 taona monja indray no notsindronin’ny zaodahiny antsy tao amin’ny toeram-piasany, eny Anosibe. Voa mafy tanteraka tokoa izy ka tsy afaka niarina intsony. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny hopitaly. Raha ny fitantarany sy ny ray aman-dreniny, dia adin’ny mpivady eo amin’ny anabaviny sy ity zaodahiny no fototry ny fifamaliana teo amin’ireo samy miaotra ka nitarika izao fikasihan-tànana diso tafahoatra izao. « Maditra ny vinantoko, hitan’ny olon-drehetra izany . Ny zanako indray no nendrikendrehany ho mampiady azy mivady. Sendra mamo anefa izy tamin’io fotoana io niaraka tamin’ireo zanako roa lahy zokin’ity niharan-doza ity ka avy hatrany dia nandrahona azy rehefa nifanena tamin’izy ireo teny amin’ny arabe. Nony tonga tao an-trano fiasany anefa, avy hatrany dia nodarohan’izy ireo sady notsatohany antsy » hoy ny reniny nitantara. Marihina fa tsy vao izao io zaodahiny io no nandrahona ny hikasi-tànana ity tovolahy ity fa efa hatrizay. Ary na ilay anabaviny izay efa manan-janaka efatra aza dia mizaka ny tsy eran’ny ainy noho ny ataon’ity nahavanon-doza saingy tsy mahasahy miteny. Raha ny fanazavana azonay hatrany, dia manana vadikely ity farany ary efa herintaona tsy nody an-trano no izao mamoa-doza izao indray. Raha ny fizahana nataon’ny dokotera, dia tsatok’antsy efatra no hita teny amin’ny marary : iray amin’ny tendany, ny iray tao ambany helika ary ny roa ambiny kosa teo amin’ny tratra. Tsy manaiky ny raharaha ho vitavita mora foana araka izany na ny ray aman-drenin’ny niharam-boina na ny anabaviny, fa hametraka fitoriana eny amin’ny polisy.
Niony H.