Na an-drenivohitra na any amin’ny faritra dia saika manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Ny alatsinainy lasa teo, mpandraharaha iray, saika handeha hividy “cacao” no lasibatry ny jiolahy fito mitondra zava-maranitra, tany Ambodibonara, ao amin’ny fokontany Ambodimahabibo, kaominina Marotaolana, any amin’iny distrikan’Ambanja iny. Naratra mafy ity mpanangom-bokatra ity, niaraka tamin’ny namany iray vokatr’izay. Tetsy andanin’izay kosa, vola mitentina 31 tapitrisa ariary mahery no lasan’ireto olon-dratsy. Vola saika hividianana vokatra tany an-toerana. Rehefa nampandrenesina ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia nandray ny andraikiny avy hatrany nanara-dia sy nikaroka ireo olon-dratsy. Vokany, nisy dimy voasambotra. Iray tamin’izy ireo kosa no maty voatifitra, raha saika hitsoaka. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana hatrany dia tao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io ihany no voasambotra izy dimy lahy ireto. Mbola manohy ny fikarohana ireo namany roalahy ambiny kosa ireo mpanao fanadihadiana. Sarona tany amin’ireo voasambotra ireo ny ambim-bola mitentina 21 tapitrisa ariary. Notazomina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary izy dimy lahy ireto natao fanadihadiana. Ny talata hariva lasa teo, raha teo am-panaovana fanadihadiana ireo voasambotra ireo mpitandro filaminana no nahita hirika hitsoahana, rehefa mody nilaza fa poritra, ny iray tamin’ireo jiolahy. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana. Tsy lasa lavitra anefa dia lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana ilay nandositra ka maty tsy tra-drano. Hatreto kosa dia mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa naman’izy dimy lahy voasambotra ireto. Tetsy andanin’izay kosa, nentina namonjy hôpitaly ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo mpandraharaha sy ilay namany iray naratra.
m.L