Nisavoritaka ny manodidina rehetra nahita fatin-jazakely efa ho valo volana an-kibo, izay nalana ka natao tao anaty harona sachet vaovao ary natsipy teo amin’ny tokotanin’olona . Natahotra mafy ity tompon’ny tokotany ity ka nampandre ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Vetivety dia nahoraka ny feo teo am-pijerena ilay razana ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera ka nalaky vory ny vahoaka izay te hijery. Fianakaviana iray hafa indray no nimenomenona fa hoe very fatin-jaza saika halevina ny alin’ny 24 mey 2016 teo raha ny marainan’ny faha 25 mey 2016 no nahitana ny razan’ilay zazakely teo Ambohimasina Ambatondrazaka. Nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana sy ny fizahana rehetra . Araka ny fanazavana dia narary mafy voan’ny « fibrome » ny renin’ilay zaza ,ny kibo anefa efa ho 8 volana ka voatery ny ain-dehiben’ilay reny no navotan’ny mpitsabo, araka ny fanazavana voaray. Mazava ho azy fa maty ilay zaza ka nomena ny rainy sy ny rafozany fa hoe tsy maintsy halevina. Nentina tany an-tokantrano ilay razan’ilay zaza efa tsara fono ary natao tao anaty harona vaovao, ny andro rahateo efa nanomboka ho maizina . Araka ny fomba voalazan’ireto fianakaviana dia najanona teo am-baravarana ilay harona misy ilay razana fa hisakafo aloha vao mandevina, satria tsy azo atao ny mampiditra ilay razana an-trano . Mpangalatra sendra nandalo no nahita ilay harona mavesatra ka naka azy, izay nentiny nandositra. Rehefa lasa lavitra ity mpangalatra vao nijery ny tao anatin’ny harona, kinanjo razana no tao. Hany heriny nanary ilay razana tsy dia lavitra ny nakany azy. Toa mampahatsiahy ny ohabolan’ny ntaolo teo aloha tokoa hoe « Ela nitoratorahana ity mpangalatra ka nahavoa mason’angatra”. Efa naverina tamin’ny rainy ilay fatin-jaza , ka miandry maty masoandro indray izy ireo vao handevina ity fatin-jazarano ity. Mba mailo ihany fa na ny fatin-jazarano aza misy mangalatra amin’izao fotoana izao.
Janus R