- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpibizina volamena telo indray voasambotra

Analakely : Mpibizina volamena telo indray voasambotra

Mitohy hatrany ny ezaka, ho famongarana ireo tontakely mampikaikaika ny maro eo Analakely. Anisan’ireny, ny famongorana ireo mpividy sy mpivarotra volamena tsy ara-dalàna manemitra ny sisin’arabe eny an-toerana. Ny talata lasa teo, raha ny vaovao azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny toerana iny, dia nisy telo indray nosamborina tamin’ireto mpibizina volamena ireto. Heverina mantsy fa ny fitomboan’izy ireny isa andro aman’alina no antony iray mandrisika ny sinto-mahery sy fanendahana eny an-toerana. Ambonin’ny maha tsy ara-dalàna azy, mazava ho azy. Ny alarobia teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo. Fa ambonin’izay, raha mikasika ireo mpanendaka, dia efa nahatratra fito izay ireo tratra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny teny amin’iny faritra iny, nanomboka ny fiatombohan’ny herinandro lasa teo. Isan’ireo tontakely ikoizana sy efa rain-dahiny amin’ity fanendahana ity avokoa izy fito ireto ary saika efa nisazy daholo, noho ity resaka sinto-mahery sy harom-paosy ity hatrany. Manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo mpitandro filaminana, miezaka ny hanafoana tsikelikely ity asa ratsy mampalaza ny ivon’ny Renivohitra sy ny manodidina azy ity. Indrindra moa fa amin’izao fotoana manakaiky Asaramanitra izao.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici