- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTetezan’Ambohimandroso : Kamiao nivadika dia nifatratra teny an-tanimbary

Tetezan’Ambohimandroso : Kamiao nivadika dia nifatratra teny an-tanimbary

AmbohimandrosoSaika loza mahatsiravina indray no niseho tamin’ny lalam-pirenena RN7 omaly tolakandro. « Camion » iray hihazo an’Antananarivo no nivarina an-kady teo amin’ny tetezan’Ambohimandroso iny. Nivadika ambony ambany tanteraka ity « camion » ka nifatratra teny an-tanimbary. Olona roa no tao anatin’ilay fiara : ny mpamily sy ny mpanampy azy izay tena naratra mafy tokoa. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo. Tsy fantatra mazava hatreto tena fototry ny loza. Ao ny milaza fa resi-tory ilay mpamily ka nivily tampoka ny familiana. Ao kosa ireo nanamarika fa mamo ity farany. Na izany na tsy izany, tsara hatrany ny manipika fa efa tena mila fanamboarana iny tetezana iny. Tsy vitsy amin’ireo mpampiasa an’iny làlam-pirenena iny no mitaraina ny amin’ny haratsin’ity foto-drafitrasa iray ity. Raha ny zava-misy tokoa mantsy dia misy lavaka eo afovoan’ity tetezana ity efa fotoana maharitra izay. Ny làlana rahateo tery dia tery. Tsy mahagaga araka izany raha misy amin’ireo fiara fitateram-bahoaka, indrindra ireo lehibe toy ny Sprinter, no mivily amin’ny sisiny. Aterina hatrany ny antso amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy mba hisorohana ny loza, mba tsy hionona amin’ny honohonon-dresaka fa misy lolo iny toerana iny.

Niony H.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici