Omaly maraina, nirehitra ny trano lehibe iray misy rihina teny Amboditsiry. Ny loharanom-baobao no nahafantarana fa resaka « court circuit » no nahatonga ny fahamaizana. Ny efitra tany ambony no tena levon’ny afo. Voalaza fa olona telo no mipetraka tao. Soa ihany aloha fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Efa tonga teny an-toerana rahateo ny mpamono afo nanampy ny olona. Vao niseho ny fahamaizana dia efa tomefy olona ny arabe manoloana ilay trano. Tsy dia naharitra ela anefa dia vaofehy ny afo.
r.s.