- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Notafihan’ny dahalo ny mpanambola tao an-tanàna

Andilamena : Notafihan’ny dahalo ny mpanambola tao an-tanàna

Dahalo 4 mirongo fitaovam-piadiana maherivaika no nanafika tokantrano iray izay voalaza fa misy volabe tao amin’ny renivohitra   Anosimboahangy .Nirefodrefotra ny basy na dia mbola tamin’ny 11 sy sasany alina aza ny andro, nifamaliana ny tifitra satria nisy olona nanana basy teo amin’ny manodidina izay nanao tifi-danitra , novakian’ireto jiolahy tamin’ny famaky ny varavarana ka dia raikitra ny fisavana tao an-trano nitady ilay volabe ,ny tompontrano moa dia tsy afaka nivoaka fa nisitrika tao ambony rihana. Nilefa ireto jiolahy ireto rehefa fantany fa misy olona manana basy  tsy lavitra ilay toerana izay sady niantso   vonjy  tamin’ny fokonolona manodidina. Na dia teo ampivoan’ny tanàna tsy lavitry ny biraon’ny kaominina aza ilay toerana dia tsy natahotra mihitsy ireto jiolahy nanafika sy nanapoaka basy .Efa eo ampelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary efa misy ireo voasambotra ka hinoana fa ahitana ny marina izany, satria mihorohoro avokoa ny vahoakan’Andilamena noho ity fanafihana nitranga ny faha  25 may 2016 lasa teo .Inoana  fa hisy ny fandraisana fepetra entitra satria betsaka ireo vahiny manangona vato ao Andilamena ary misy tsy misoratra eny anivon’ny fanjakana ny sasany amin’izy ireo.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici