- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkirihiry : Mpangarom-paosy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankirihiry : Mpangarom-paosy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Isan’ny tsena tena anjakan’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka ary tafiditra amin’ny lisitra menan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny tsy filaminam-bahoaka mpiantsena, ny tsenan’ Ankirihiry Tranonjiro. Ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny mitatao vovonana, dia tovolahy iray tokony ho 37 taona, matanjakana ara-batana, salama saina tsara, no tratran’ ny fokonolona nangarom-paosy am-bodiomby tamin’ity mpiantsena iray. Tsy nisy fisalasalana intsony ny olona nahatratra azy, eo koa ny tsy fahatokian’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ihany koa, ka raikitra ny fitsaram-bahoaka mivantana. Vokatry ny daroka sy ny vely hazo ary toraka vato nahazo an’ity tovolahy 37 taona ity, dia naratra mafy teo amoron-dalana raha iny nikasa hitsoaka iny ny tenany. Omaly anefa, dia re fa maty noho ny ratra mafy sy fahaverezan-dra nahazo azy ity tovolahy 37 taona tratran’ny ny fitsaram-bahoaka nangarom-paosy tao amin’ny tsenan’Ankirihiry Tranonjiro, ny sabotsy teo ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici