Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana ka nilaza fa misy olona mitana basy kalachnikov mampiahiahy eny Ivandry. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana ka nidina teny an-toerana. Natao ny fisavana ka tratra tao an-tranon’olona roa lahy ireto ity basy FAK sy ny bala sivy ambin’ny roapolo miaraka aminy. Nisy ihany koa akanjo miaramila dimy. Tamin’ny fanadihadiana dia niaiky izy roa lahy fa tena jiolahy izy ireo ary efa nandray anjara tamin’ny fanafihana teny Ankadivoribe, Anosizato sy tanàna maromaro. Anisan’ny nambarany tamin’izany moa fa telopolo ireo bala ireo tany amboalohany fa napoaka teny amin’ny fanafihana tetsy Ankadivoribe ny anankiray.
Efa tena matihanina tokoa ireto olon-dratsy roa lahy ireto, satria anisan’ny notantarain’izy ireo tamin’izany ny fomba fanafihana ataon’izy ireo, toy ny mody fanaovana ho mpiasan’ny JIRAMA, ka raha vao tafiditra ao an-trano ry zareo dia hambana basy avy hatrany no mahazo ilay olona, ary asain’izy ireo manoro izay entana na vola na firavaka sarobidy. Efa eo am-panaovana fanadihadiana moa amin’izao ny zandarimariam-pirenena misahana an’Antananarivo renivohitra amin’ny mety ho fiavian’ ny basy sy ny akanjo miaramila niaraka taminy. Araka ny famotorana moa dia toa efa miaramila taloha izy roa lahy ireto.
ALEM