Ny alin’ny Alakamisy, 02 Jona 2016 tokony ho tamin’ny 10 ora dia naharay antso ny Polisy avy ao amin’ny commissariat Itaosy, fa misy olona voaendaka eny amin’ny faritra Antanetibe Ambohidrapeto. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka nahita lehilahy roa. Rehefa nahatazana ny polisy ireo jiolahy, dia nitsoaka avy hatrany ka dia raikitra ny fisamborana. Tsy nety nijanona ireto farany raha tsy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana. Voasambotra tamin’izany izy roalahy ireo. Rehefa nosavaina ny teny amin’izy ireo dia nahitana ireto zavatra ireto : « etuis ana basy misy vodina lakile, « baton electrique », rongony iray fonosana, contravention ana Polisy maromaro sy « insigne polisy » ary « carte professionnel ». Tamin’ny fanadihadiana azy ireo, dia niaiky ry zalahy fa, azy ireo fitaovana ireo hoentina manao ny asa ratsiny sy hampitahorana ireo olona lasibatra. Nilaza ihany koa izy ireo, fa misandoka ho polisy. Efa nigadra teny Antanimora tamin’ny taona 2005 ny iray. Nanoro ny namany iray moa izy ireo, izay nosamborina tany an-tranony ny zoma 03 jona 2016 vao maraina. Tamin’ny fanadihadiana koa, dia nilaza izy ireo fa mifoka rongony alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny.
Tamin’ny sabotsy teo no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.
r.s.