- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Antsirabe – Artic : Tsy voatery ho ny vahiny ihany...

VAKINANKARATRA : Antsirabe – Artic : Tsy voatery ho ny vahiny ihany no afaka manampy ny Malagasy

Isan’ireo orina notolorana mari-pakasitrahana  avy amin’ny ministeran’ny fanabezam-pirenena ny orinasa Artic Antsirabe nandritra ny fizarana fampitaovana nomena ny cisco Antsirabe II natao tany Ambohibary tamin’ny herinandro lasa teo. Nitondra tohana maro  tamin’ny fananganana fotodrafitrasa mantsy ny Artic ka rariny loatra raha natolotra azy ny mari-pankasitrahana. Ankaotra ny asa famokarana ataon’ny orinasa dia maro koa ny asa sosialy ataony eo anivon’ny fiarahamonina, isan’izany ny eny anivon’ny  sekoly, fiangonana, sy ny fokontany manodidina. « Mandeha ho azy toy ny adidy, tsy terena fa mahatsiaro marary ny tena raha toa ka marary ny manodidina », hoy Atoa Andriamanalina Zaka Bary-Jaona talen’ny orinasa Artic raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Notsindriany fa isan’ny mandratra fo sy  nanaitra ny ambom-pony ny fahitana ireo vahiny miseho  amin’ny haino aman-jery fa manao an’izao sy izao etsy sy erao manampy ny Malagasy. Tsy voatery ho ny vahiny ihany, hoy izy, no afaka manampy fa maro koa ny samy Malagasy manao izany saingy atao mangingina . Notsindriny fa diso ny fiheverana fa tsy mahavita ny Malagasy, tokony hifampitsinjo, hoy izy, isika  hahay mifamelona amin’izay eo am-pelatanana. Tsy fanampiana hoy izy no nataon’ny orinasa fa fifanomezan-tanana ary tsy ilana tambiny izany fa fankasitrahana dia ampy , toy ny nataon’ny ministeran’ny fanabezam-pirenena izao izay nanome mari-pankasitrahana ho an’ny orinasa izao.

Andry N.

 

Antoko Leader Fanilo :  Tontosa teto Antsirabe ny filankevi-paritany

Notontosaina teto Antsirabe ny filankevi-paritany Antananarivo  ho an’ny antoko Leader Fanilo tamin’ny faran’ny herinandrao teo. Izany no natao dia ho fanomanana ny filankevi-pirenena hatao ny faha 15-16 jolay izao ao Antananarivo. Isan’ny zavatra nodinihina tamin’ity hetsika ity ny raharaha anatin’ny antoko. Iaraha-mahalala rahateo, hoy Atoa Mahasindraza Heriniaina, mpandrindra nasionaly, ny zava-nisy teo amin’ny antoko ka isan’ny vaindohan-draharaha ny hanarina izay lesoka rehetra. Ankoatra izay, ny hijerena ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izay hita fa tena manahirana tokoa. Tsy mbola manana hevitra aroso ny antoko raha tsy aorian’ny filankevi-paritany. Io no hanangonana tsoa-kevitra ka izay tapaky ny be sy ny maro ho haroso fa tsy olon-tokana no handray ny fanapahan-kevitra. Aravona mandritra ny filankevi-pirenena ireo ka aorian’izay vao ho afaka miteny ny fahitany ny raharaham-pirenena ny antoko. Notanterahina tamin’io fotoana io koa ny fifidianana izay ho mpandrindram-paritany. Ilaina izy io, satria rantsana iray faritan’ny sata mifehy ny Leader Fanilo izany.

Andry N.

Mitokona tsy mety manatrika fiofanana ny chef ZAP sy ny mpanolotsaim-pampianarana

Hiatrika fampiofanana ireo mpampianatra rehetra mandritra ny fialantsasatry ny mpianatra amin’ity taona ity, isan’izany ny eto Vakinankaratra. Izany dia tafiditra amin’ny politika fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto amin’ny firenena. Mandeha ila ihany anefa ity fampiofanana ity raha ny zava-mitranga ankehitriny no resahina. Nitokona nanomboka ny alatsinainy teo mantsy ireo chef ZAP sy mpanolotsaim-mpampianara  tokony hanaraka ny fampiofanana ho an’ny eto Antsirabe. Fitokonana fanairana ihany izao atao izao, hoy Andriamandroso Soloniaina, chef zap ao Ambomiarivo CISCO Antsirabe II, solon-tenan’ireo mpiofana nandray ny fitenenana. Anton’ny fitokonana ny tsy faneken’ireo mpiofana ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola. Voalaza ao amin’ny taratasy fifanarahana mantsy fa ireo mipetraka amin’ny toerana latsaky ny 5 km  voasokajy ho “resident” dia tsy mandray ny tambin-karama. Sokajian’ireo mpiofana ho mampizarazara azy ireo izany ary tsy manaja ny fampitovian-jo. Fiofanana mitovy no homena sy atao ka nahoana no asiana fanavakavahana toy izany ny fanomezana ny tambin-karama, hoy ny fanazavana. Manaitra ny sain’ny mpamatsy vola izahy, hoy ireo mpiofana, hanova ny fifanarahana ka hampitovy ny mpiofana ny rehetra. Vonona izahay, hoy hatrany ny fanazavana, hanaraka ny fampiofanana matoa efa nahavita ny andiany voalahany. Fanairana ihany izao fitokonana izao.

Ho firaisankinan’ny mpiofana rehetra dia tsy misy manaraka ny fampiofanana izy ireo hatramin’izao, marihina anefa fa ireo mpiofana ireo avy eo no hanofana ny talen-tsekoly sy ny mpampianatra Fram.

Fantatra fa efa mitokona koa ny any amin’ny faritra Toamasina, Mahajanga Besanandratra Manjakandriana ary Mananjary

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici