- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tratra nangalatra gana, nasaina nanadio tatatra feno maloto

Ambohimangakely : Tratra nangalatra gana, nasaina nanadio tatatra feno maloto

Tranga hafa kely indray no niseho tany Ambohimangakely omaly. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona mahery eo no tratran’ny olona ambodiomby teo am-pangalarana gana. Voalaza fa ny tompon’ireo gana ihany izao nahatratra azy izao, satria dia tamin’ny andro mazava be sady teo an-tokotaniny ihany no nanatanterahan’ilay mpangalatra ny asa ratsiny. Miisa dimy eo ireo gana saika nangalariny. Tsy fantatra mazava izay tena antony nitarika ity farany nanao izao fihetsika izao. Ny fahantrana koa etsy andaniny mahazaka maniraka. Soa ihany fa ny tompony no nahatratra azy fa raha tsy izany mety ho nisy indray ny fitsaram-bahoaka. Tsy nampandre ny polisy na ny zandary ny tompon’ireo gana satria efa niverina taminy ihany izany. Ny hany fepetra noraisiny dia ny nampamafa ity mpangalatra ny tatatra mirefy 200 metatra manoloana ny tranony. Marihina fa tatatra efa tsy nodiovina hatry ny ela ity nasaina nodiovin’ilay lehilahy nangalatra gana ity, hany ka nihandrona tao daholo ireo rano sy maloto avy any amin’ny tokantranon’ny manodidina. Maro tamin’ireo izay nandalo no nalahelo ity farany satria misy tsy fanajana ny zo mahaolombelona izany. Tsy vitsy koa anefa ireo izay nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny tompon’ny gana.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici