dimanche, avril 27, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny 26 Jona : Ho henjana ny fiambenana ataon’ireo mpitandro filaminana

Fetin’ny 26 Jona : Ho henjana ny fiambenana ataon’ireo mpitandro filaminana

Manakaiky ny fetin’ny asaramanitra. Mety hidika izay fa tsy ho lavitra amin’izany ihany koa ireo asa fanakorontanana marobe mety hiseho, indrindra fa amin’izao tany tsy milamina, hisiana fihetsiketsehana sy fitakiana etsy sy eroa izao. Eo anatrehan’izay indrindra dia hentitra ireo mpitandro filaminana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Ankadilalana : “mampitandrina sahady ireo andian’olona mikasa ny hanao izany izahay, ary tsy handefitra mihitsy amin’ireo izay tratra”, hoy ny Jly Florens. Amin’izay lafiny izay ihany dia fantatra fa maro be ireo mpitandro filaminana haparitaka eto an-drenivohitra manomboka izao, hiaro sy hiambina ireo hetsika rehetra atao, hanamarihana ity fetin’ny 26 jona ity. Ao anatin’izay ihany koa ny fisavàna izay fiara rehetra mety hampiahiahy. Hihamafy tanteraka izany fisavàna izany manomboka ny andron’ny 25 jona hariva ary mitohy ny ampitso. Fantatra mantsy fa ho tapaka ny lalana eny Anosy amin’io andro io, ary tsy ho azon’ny fiara sy ny môtô aleha intsony, manomboka amin’ny efatra ora tolakandro. Etsy andanin’izay, voaresaka ihany koa ny mahakasika ireo tsipoapoaka sy fivarotana izany. Nambaran’ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto fa tsy azo atao ny mivarotra sy ny manapoaka azy ireny, araka ny didy navoakan’ny prefektiora. Hampiahatra ny lalàna avy hatrany izy ireo ho an’ireo izay mbola minia mandika izany, raha ny fanazavàna hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici