Ankoatra ny halatr’omby miseholany any amin’ny Faritry Melaky, dia mahazo vahana ihany koa tato ho ato ny vono olona tsy amin’antony vokatry ny fialonana. Ny 7 jiona lasa teo, tokony tany amin’ny 10 ora alina tany ho any, renim-pianakaviana iray monina ao Mamperabe, kaominina Belitsaka, Distrikan’i Maintirano, no maty tsy tra-drano tsy nialan’ny havany nenina akory niharan’ny tifitra variraraka tao an-tranony. Raha araka ny vaovao voaray, dia ny ain’ity mihitsy no nofofoin’ny olon-dratsy, satria tsy nisy nipika na dia tapa-panjaitra, ny entana rehetra tao an-trano sy ny vola. Raha vao naheno ny poa-basy ny iray tanàna dia nirohotra tany amin’ny toerana niavian’ny feom-basy, ka ilay ramatoa efa nihosin-drà no hitan’ny fokonolona. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka raikitra ny fikarohana ny nahavanon-doza. Tovolahy iray vao 20 taona no voasambotra ho namono an’ity ramatoa ity. Rehefa nofotorana izy nandritra ny fakana am-bavany azy dia nilaza fa efa nafeniny any an-tanimbary ny basy nitifirany an’ity renim-pianakaviana namoy ny ainy ity. Noteren’ireo mpitandro filaminana hanoro an’io toerana io izy, kanjo rehefa tonga tsy lavitra an’ilay tanimbary nolazainy, dia nikasa hitsoaka ity mpamono olona ity ka notifirin’ny zandary ary maty tsy tra-drano ihany koa.
Eric Manitrisa