Manomboka indray ny fanararaotan’ireo olon-dratsy ny rotsak’orana amin’ny alina . Omaly, tany Ankaraobato Tanjombato, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina, dia cyber iray no nisy namaky. Tsy nisy ny aina nafoy saingy ireo fitaovana rehetra kosa no lasan’ireo tsy mataho-tody, toy ny solosaina sy ny tariny.
Marihina fa ao amin’ny efitra ambany no misy an’ilay cyber fa ny tompon-trano kosa ao ambony.
Tsy nisy nahatsikaritra ny fahavakisan’ilay trano raha tsy efa naraina ny andro, eny fa na dia ireo tompon-trano tao ambony aza tsy nandre na inona na inona mihitsy. Nilaza ho naheno zavatra ny olona tao trano teo ampitan’ilay cyber saingy vetivety ihany izany ka tsy nisy nandefa saina lavitra. Ankoatra izay koa dia nilaza ireo fa nandre fiara sy moto nandalo tokotokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina teo ho eo, ora nandrenesana ilay zavatra nipoaka.
Tsikaritra ny maraina moa fa efa nivonona tamin’ny fitaovana toy ny antsy lehibe sy famaky ary aro tanana, izay hadinony tao amin’ilay trano novakiany ireo jiolahy .
Antsa (Stagiaire)