- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBefelatànana Trano may omaly: kila daholo ny entana rehetra

Befelatànana Trano may omaly: kila daholo ny entana rehetra

Nitrangana trano may mahasiravina indray, tetsy Mahamasina, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora teo ho eo. Trano lehibe iray misy rihana telo eo ambonin’ny hopitaly Befelatànana no nitrangan’izany, ka ny efitra rehetra any amin’ny rihana farany ambony no nirehitra. Niredareda tokoa ny afo ka nanaitra ny manodidina. Feno setroka ny tanàna. Vokany: may tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tavela tao. May tanteraka ny efitra rehetra tany amin’ny rihana fahatelo, any amin’ny farany ambony. Tonga teny an-toerana ihany ny “pompiers”  namono ny afo, saingy tara kely ihany noho ny fisian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana manerana ny renivohitra. Ny andro rahateo tsena. Ilay toerana nisy ilay trano may koa tetsy andaniny avo dia avo ka somary nanano sarotra ny fidiran’ireo mpamono afo. Ireto farany dia nanao izay ho afany tokoa tamin’ny famonoana ny afo rehetra. Adiny iray mahery taty aoriana vao maty tanteraka izany. Ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazetinay no nahafantarana , fa nandrehitra afo ny mpanampin’ny tompon-trano. Lasa nandeha naka an’ireo ankizy mpianatra zanaky ny tompon-trano anefa ity farany avy teo ka namela tsy nisy mpijery tao an-trano ny afo nirehitra. Izay no tena fototra niavian’ny afo ka nahatonga ny fahamaizan’ny trano iray manontolo. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy satria tsy nisy olona tao an-trano nandritra ny fahamaizany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici