#- Fitsarana. CT Hilarion, amin’ny zoma ny didy. Omaly no niakatra teny amin’ny fitsarana Anosy ny CT Hilarion ,izay voasambotra tamin’ny herinandro lasa teo. Nampangaina izy tamin’izany fa nitaona olona hikomy sy nanao fandrahonana ho faty. Rehefa teny amin’y tiribonaly moa dia voalaza fa tsy nisy ny mpitory azy. Araka izany, amin’ny zoma ho avy izao no hivoaka ny didy mikasika ity raharaha ity.
# – Anosibe. Mpivarotra voatafika. Omaly maraina be tamin’ny 3 ora , jiolahy telo no nanafika mpivarotra teny Mandrangobato Anosibe. Nopotehan-dry zalahy ny varavarana ary avy eo izy ireo no niditra. Nambanany basy ny tompon’ny trano ary notereny hanome azy ny vola. Lasa tamin’izany ny480 000 ariary. Raha vao azony izany dia lasa nandositra izy ireo.
# – Maharidaza. Lozam-pifamoivoizana. Afak’omaly efa hariva, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Maharidaza tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fiara nitondra fianakaviana avy nandevina tany Mantasoa no nivoaka ny làlana ary nandona andrintany. Vokatr’izany, naratra avokoa ireo olona 20 tao anatiny.
nangonin’i r.s.