
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no niseho omaly hariva tokony tamin’ny 7 ora tetsy Ankorondrano. “Renault express” iray izay nizotra teny amin’ny arabe ilany ho any Ankorondrano no voalaza fa tapaka “frein” ka tafapita tamin’ny arabe ilany ary nifatratra nandona fiara tsy mataho-dàlana “Nissan” iray izay nandeha teny ampitan’ny arabe. Vokany : nandriaka ny rà, feno vakim-pitaratra ny arabe, lehilahy iray manodidina ny 20 taona mahery no maty tsy tra-drano, ary ireo 5 sisa dia mbola maratra mafy tsaboina eny amin’ny hopitaly. Atahorana mafy ny ain’ireto farany noho ny hamafin’ny fifandonana teo amin’ireo fiara roa tonta. Marihina fa roa amin’ireo mpandeha tao anatin’ilay “4×4” no vehivavy. Araka ny filazan’ny nanatri-maso ny loza, dia tsy nisy nanampo na inona na inona ny olona rehetra fa ilay fiara “Express” efa nandingana ny arabe ilany no nanaitra ny sain’ny maro. Marihina mantsy fa nivadika ambony ambany mihitsy ilay fiara “4×4” voadona. Nifatratra ary tafiditra tao amin’ny tambohon’ny Codal , izany hoe eo amin’ny 10 metatra miala ny toerana nahavoadona azy. Ireo olona nanatrika teo no nifarimbona namoaka ireo mpandeha rehetra mba hanaterana eny amin’ny hopitaly. Nisy tamin’izy ireo no tapaka nikiraviravy tety ivelan’ny fiara ny tongony. Potika tanteraka ilay “Express” sy ilay “4×4” ary anisan’ireo naratra mafy ny mpamilin’ilay “Express”. Izy irery no tao anatin’ity fiara ity. Ny fanadihadiana nataonay no nahafantarana fa tsy mamo tsy akory ity farany fa efa nanana olana ara-pahasalamana tamin’ny tànany. Andeha hody avy nijery baolina izy tamin’io omaly io. Tetsy ankilany, ny hisatra ihany koa tapaka ka dia izao nitarika ny loza mahatsiravina izao. Ireo tao anatin’ilay “4×4” kosa tombanana ho avy nanao fitsangantsanganana na nikarakara fety satria dia niparitaka teo amin’ny tambohon’ny “Codal” daholo na ireo vilia “à jeter” na ireo sakafo tao anatiny. Nisy tamin’ireo nijorojoro nijery ny loza aza no nifandrombaka ireo sakafo rehetra niparitaka tazana teo. Ny sasany mbola nitsimpona izay latsaka tamin’ny tany.
Niony H.