Lasa zary fahazaran-dratsy ho an’ny sasany ankehitriny ny fanalan-jaza raha ny hita eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny. Ny sabotsy lasa teo, zaza rano indray no hita nisy nanary teo antsisin-dàlana teny akaikin’ny “Samara” Ankadindramamy. Tsy fantatra mazava izay nahatonga sy nanary ity zaza rano ity teo amin’io toerana io fa olona sendra nandalo teny an-toerana no nahatsikaritra azy nivalapatra teo. Ity farany no nampilaza ny manodidina ny amin’ny fisiana zaza rano nisy nanary. Tokony ho tamin’ny 3 ora hariva teo no nahitan’ny olona izany. Nisy tamin’izy ireo no nanaparitaka ny sarin’ilay zaza tsy manan-tsiny tany amin’ny tambazotram-pifandraisana maro samihafa. Maro ihany koa no tohina raha nahita izany. Raha ny fahitana azy mantsy dia zaza efa ho tsy ho ela dia ho teraka ity nalàna ity, manodidina ny 3 volana an-kibo eo. Mbola hita nanaraka azy teny ihany koa ny tadim-poitrany.
Niony H.