Vao maraina dia efa nisavorovoro ny olona tetsy Ilafy-Ambatobe. Ny anton’izany dia ny nahitana fonosana iray tsy mitovy tamin’ireo rehetra izay nahitana baomba hatramin’izay. Nitangorona ny olona ary niantso mpitandro ny filaminana. Rehefa nozahan’ny manam-pahaizana dia korontana “fil” no tao anatiny , niaraka tamin’ny tavoahangy feno fotaka. Ankoatr’izay dia nisy “batterie” kely iray ihany koa tao anatin’ilay “sachet”. Avy amin’ny fahitana ilay tavoahangy feno fotaka dia efa hita taratra teo fa tsy baomba velively ity nisy nametraka teo am-bavahadin’olona ity. Nandray fanapahankevitra ny mpitandro ny filaminana ny hanapoaka an’ilay “baomba”, izany dia mba ho fiarovana ny olona sy ny ain’ny mpitandro ny filaminana. Natao izay rehetra azo natao,saingy tsy nety nirefotra ilay korontana rehetra tao anaty “sachet%
Articles qui pourraient vous intéresser