- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBeroroha : Fanafihan-dahalo : miaramila 3 naratra mafy, mpandeha « taxi-brousse »...

Beroroha : Fanafihan-dahalo : miaramila 3 naratra mafy, mpandeha « taxi-brousse » 27 maty

Nitrangana asan-dahalo naherivaika in-droa nisesy indray tany amin’ny distrik’ i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ora, fiarana mpitandro filaminana namita iraka tamin’iny faritra iny no nosakanan’ny malaso nirongo fitaovam-piadiana naherivaika, ary notafihan’ izy ireo, tao Berenty, ka miaramila miisa telo no naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy, izay tsy maintsy nampidirina hopitaly. Mbola tao Berenty hatrany saingy tao amin’ny fihaonan-dalana mihazo an’i Beloha, omaly mitatao vovonana, dia fiara taksiborosy iray “Bilo Malaza” no notafihan’ny dahalo, ka olona 27 no indray maty namoy ny ainy, ary anisan’izany ny mpitsabo mivady “medecin chef” ao amin’ny CSB II Tanandava sy zandary iray miasa any an-toerana ary ny mpamily ilay fiara.
Sahy mihantsy ny dahalo. Raha araka ny nambaran’ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tany an-toerana azo tamin’ny antso an-tariby, dia notifirin’ny dahalo ny kodiaran’ity fiarabe mpitatitra ity sy ny mpamily ka nivarina tany anaty hatsana ilay taksiborosy ary nivadika ambony ambany avy eo, ka nitarika fahafatesan’olona maro. Raha ny fantatra, araka ny vaovao azo farany tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, dia mpandeha telo sisam-paty no mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa voaroba ilay fiara mpitatitra avy teo. Raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka. « Raha ny fahafantarana azy dia mihantsy ady tanteraka amin’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ireto dahalo ireto », hoy hatrany ny nambaran’ny solombavambahoaka iray nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fivorian’izy ireo omaly. Voalaza fa olona tany an-toerana no nitaraina taminy ny amin’ny zava-nisy any an-toerana. Andrasana araka izany ny mety ho fandraisana andraikitry ny fanjakana mahefa.

Manitrisa/N.H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici