- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Vazaha maty hita nihantona tao an-tranony

Ambohipo : Vazaha maty hita nihantona tao an-tranony

Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora, vazaha iray teratany avy atsy la Réunion no hita faty nihantona tao amin’ny tranony teny Ambohipo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ny sakaizany vehivavhy malagsy tonga tamin’io ora io no nahita izany zavatra izany. Nihantona tamin’ny tady tamin’ny tohatra ilay olona, araka ny vaovao hatrany. Ilay ramatoa no niantso haingana ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana. Hatramin’izao aloha tsy fantatra mazava izay antony nampihantona ity lehilahy ity tamin’ny tady. Misy ireo nilaza fa toa hoe namono tena izy io. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Teraka tamin’ny taona 1989 ity olona hita faty ity. Izany hoe tena mbola tanora tokoa.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici