Toy ny efa fanao sy mahazatra ny Soroptimist International Club d’Antsirabe rehefa andron’ny asaramanitra toy izao dia misy hatrany ny fijerena ireo zaza madinika “prescolaire” ao amin’ny EPP Antsoantany. Marihina fa nisy efitrano natsangan’ny SICA efa hatramin’ny taona 1995, handraisana ireo zaza madinika ireo. Mba ho fanampiana sy famalifaliana ireo zaza amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena dia nidina teny ifotony ny fikambanana notarihan’ny filoha Rameherison Clara nizara aredrina sy kilalao ary sakafo maivana ho an’ireo zaza ireo. Amin’ny maha fikambanan’ny vehivavy sy maha reny anay hoy izy dia mahatsiaro manana adidy izahay amin’ireo zaza ireo. Marihina fa, isaky ny herinandro dia misy hatrany ny fanomezana “gouter” ho an’ireo zaza ireo, fa noho ny fetim-pirenena dia nampiarahana ireo kilalao samihafa izany.
Fa ankoatra izay, dia nitsidika ireo zaza mania teny amin’ny toby fitazaina zaza maditra koa ny Club Soroptimist Antsirabe, tamin’ny Alarobia 23 jona lasa teo hatrany. Tafiditra hatrany amin’ny fampiravoravoana ireo zaza mania ny hetsika. Nitondra fanampiana maro toy ny akanjo mafana, menaka savony sy PPN fampiasa andavan’andro ny SICA ho an’ireo zaza ireo. Teo aloha, raha ny fanazavana dia hoentina misakafo any amin’ny foibe misy Club Soroptimist eto Atnsiabe ireo zaza ireo fa noho ny fandaminana dia izao novatsiana fitaovana sy fanomezana ireo zaza.
Andry N.