Mbola teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ihany, no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana iray ity. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona mahery eo ho eo no hita faty tao anaty tatatra teo anelanelan’Ambodianfotsy sy Malaza Ampitatafika, omaly maraina. Marihina fa ny alin’ny sabotsy 25 jona no nahafaty azy fa omaly maraina kosa vao tazan’ny fokonolona ny fisian’izany. Ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety tamin’ny fianakavian’ny maty no nahafantarana fa voadonan’ny fiara no nahafaty ity lehilahy ity noho ny fisiana mangana sy ratra teny aminy. Manamarina izany ihany koa ny nipitihany tany an-tatatra niaraka tamin’ny « môtô » nentiny izay simba ihany koa noho ny dona nahazo azy. Voalaza mantsy fa « pompiste » amina « station » iray eny Madera Fenoarivo no asany ary efa fahazarany ny mody alina noho io asany io hatrany. Nandeha namonjy fodiana mihitsy izy no izao sendra ny « patsa iray tsy omby vava » izao. Tombanan’ireo nanatri-maso ho nitsoaka ilay fiara nandona ity lehilahy ity taorian’ny loza, satria hatreto dia tsy mbola nisy ny fampandrenesana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny biraon’ny zandary na ny polisy tany an-toerana. Amin’izy ireo dia nanararaotra ny andro maizina ilay mpamily mba hitsoahana. Misokatra araka izany ny fanadihadiana hahafantarana ny tena marina sy ny nahavanona ny loza.
Niony H.