- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversNanomboka ny fanadihadiana : Lehilahy nanao akanjo maramara

Nanomboka ny fanadihadiana : Lehilahy nanao akanjo maramara

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia natao ny fihainoana ny naratra sasany afaka nanazava ny tena zava-nitranga tetsy Mahamasina ny alin’ny alahady teo, izany hoe momba ilay fanipazana baomba teny amin’ireo olona mpijery fampisehoana. Raha ny fitantaran’ny sasantasany ary hohamarinin’ny mpanao fanadihadiana tsikelikely ny fahamarinany dia lehilahy iray nanao akanjo maramara no tompon’andraikitra tamin’izany. Avy taorian’ny lampihazo, avy eo amin’ny miankavanana, no nanaovany an’izany, raha araka ny fitantaran’ny fiankavian’ny naratra hatrany. Re ihany koa fa hanomboka androany dia hisy ny fisavàna izay mety ahiahiana ho tao ambadik’iny raharaha iny. Omaly dia nisy ny filan-kevitra manokan’ny governemanta nandinihina iny heloka bevava iny. Voamarika tamin’izany ny valin’ny fanadihadiana savaranonando izay nanamarina fa baomba vita gasy ilay nampiasaina. Rehefa nirefotra ilay izy dia niparitaka ny vy marobe izay niendrika kanety tao anatiny ka namono sy nandratra olona. Mbola tao anatin’ny fampitam-baovaon’ny governemanta hatrany no nanamarika fa nisy piesy fampiasa amin’ny grenady izay nanamboarana io baomba vita gasy io. Efa voafafa avokoa anefa ny laharana izay tokony nipetraka tamin’ireo, fanao izay mba hialàna amin’ny famantarana izay mety ho toerana nivoahan’ilay fitaovana. Marobe ny fanontaniana andrasan’ny maro ny valiny : ahoana ny naha-tafiditra ny baomba tao Mahamasina? Avy aiza ny fitaovam-piadiana? Inona ny tanjona tamin’ilay heloka bevava?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici