Vokatry ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Lehilahy lehibe iray no maty tsy tra-drano nofirain’ny vinantolahy ny famaky teo amin’ny tendany, ny talata teo, tany amin’ny kaominina Ankililoaka Toliara II. Raha ny vaovao voaray dia nisintaka an-drangahy vadiny ramatoa izay tsy nahazaka intsony ny daroka vono nihantra aminy saika isan’andro ny herinandro iny, ka nody tany amin’ny ray aman-dreniny. Tonga hamerina ny vadiny ity lehilahy namono ny rafozany ity afak’omaly, saingy tsy nanaiky ity farany, ka raikitra ny fifamaliana, satria nilaza ity lehilahy tompom-bady nisitaka fa efa misy olon-kafa misakaiza amin’ilay vadiny. Rehefa nandre ny fitarainan’ny rainy ilay zanany vavy dia nivoaka hamonjy kanjo voadaroka ihany koa ka tsy afaka nanao na inona na inona na dia nahita ny rà nandriaka. Mbola nanao faran-teny moa ity mpamono olona alohan’ny nandehanany nitsoaka ary nilaza fa mbola hovonoina miaraka ilay rafilahiny sy ny vadiny. Karohina fatratra amin’izao ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza.
Eric Manitrisa