- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFahatratrarana « héroïne » tany Maurice : Malagasy iray niakatra fitsarana

Fahatratrarana « héroïne » tany Maurice : Malagasy iray niakatra fitsarana

Ny alarobia teo no nandalo fitsarana ilay raharaha mahakasika an’ilay fahatratrarana « héroïne » teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Maorisy, araka ny vaovao navoakan’ny « Le Mauricien». Malagasy iray, R. Mamisoa, sy Maorisina iray, Guito l’Evêque, izay voalaza fa niray tsikombakomba taminy no voarohirohy tamin’izany. Voaheloka noho ny fikasana hitazona ireto « héroine » ireto ilay Maorisiana raha enjehina noho ny fanondranana an-tsokosoko izany kosa ilay Malagasy. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, ny 1 oktobra 2013, dia voalaza fa nanondrana an-tsokosoko ireto « héroïne » ity Malagasyity, izay vao 26 taona monja. Rehefa tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina SSR ny Nosy Maorisy izy dia nilaza fa manampahaizana « comptable ». Efa nampiahiahy an’ireo polisin’ny ADSU ihany anefa ny fihetsiny ka niroso tamin’ny fizahana ara-pahasalamana an’ity farany izy ireo. Nolaviny tanteraka ny fanendrikendrehana azy ho mpanondrana zava-mahadomelina tamin’io fotoana io, saingy rehefa hita tamin’ny fizahana azy ireo fonosana « héroïne » miisa 38 dia niaiky ihany ny tenany fa misy tokoa ny aferana fanondranana zava-mahadomelina amin’i Madagasikara sy Maorisy. Izany rehetra izany no fantatra nandritra ny fandraisana am-bava azy ny alakamisy teo. Niara-niasa tamin’ireo mpanao fanadihadian’ny ADSU ny tenany mba hahafantarana ny toerana nisy an’i Guito l’Evêque, sy mba hisamborana azy. Ity farany dia fantatra fa efa polisin’ny ADSU ihany koa teo aloha. Nanano sarotra ny toe-draharaha satria ity Maorisiana ity dia nandà avy hatrany ny hanaterana ireo rongony ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina herinandro mialohan’ny nahatongavan’ity Malagasy ity tany an-toerana, noho ny fahafantarany fa efa noahiahian’ireo polisin’ny ADSU izy. Fantatra kosa taorian’izany fa nahazo toromarika ny hihaona tamin’io Maorisiana eny amin’ny « Baie-du-Tombeau » anefa izy miaraka tamin’ireo « héroïne ». Noho ny paikady tsara rafitry ny polisin’ny ADSU anefa dia voasambotra ihany ity farany. Efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana any an-toerana ny raharaha. Andrasana araka izany ny mety ho valiny.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici