Zava-doza nahatsiravina indray no nitranga tetsy Manarintsoa Isotry Atsinanana; ny alakamisy alina teo. Trano 60 tafo eo ho eo no kilan’ny afo ary olona telo no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha ny filazan’ireo manodidina, izay anisan’ny nanana trano may tamin’izany, dia trano misy rihana iray an-jorony no niatombohan’ny afo. Samy nifanampy ny manodidina tamin’ny famonjena ny entana sy ny olona tao anatin’izany, saingy noho ny fitsokan’ny rivotra mafy sy ny tsy fisian’ny rano nentina namonoana ny afo ary nitatra ka nahakasika ny trano rehetra izay nifanakaiky teo. Tonga teny an-toerana ihany ny mpamono afo saingy noho ny haterin’ny làlana mihazo an’ilay trano may dia nanano sarotra ny famonjena izany haingana. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany no niantombohan’ny afo ary tsy maty izany raha tsy afaka adiny iray sy sasany taty aoriana. Vokany : tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tao anatin’ireo trano ireo. Marihina fa zaza mianadahy iray tampo, 13 taona sy 5 taona, ary vaviantitra lehibe 65 taona izay tompon-trano ireo namoy ny ainy. Rehefa nohadihadian’ny mpanao gazety ny renin’ireo zaza ireo, Rasoarimalala Marie Claire, dia nanazava fa efa tao anatin’ny torimaso tanteraka izy ireo no nitranga ny hain-trano. « Efa natory izahay tamin’io. Ny olona avy any ivelany no nanaitra anay fa may ny tranonay. Avy aty ambany rihana misy anay ny afo no niatomboka. Niezaka ihany aho namonjy ny zanako saingy tsy nisy azo natao intsony », hoy izy nanazava. Andriamatoa Rakotondravao Alexis, zanak’ilay tompon-trano may, kosa nanamarika fa noho ny hamafin’ny rivotra no nahatonga ny afo vetivety dia nahatratra ny trano rehetra. Tsy fantatra araka izany ny tena niavian’ny afo. Marihina fa trano hazo daholo ireto may ireto ary mampiasa jiro labozia avokoa ny ankabeazan’ny tokantrano. Ankoatra ireo olona telo maty dia nisy ihany koa ireo naratra tamin’ity hain-trano ity. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nitondra ny fanampiany ny teo anivon’ny fitondrana, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany, notarihan’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina sy ny Minisitry ny Mponina, Ramatoa Onitiana Realy.
Niony H.