Votsotra tamin’ny alarobia faha-30 jona teo ny karana iray antsoina hoe Rafik Fidahoussen izay nisy naka an-keriny teny amin’ny faritr’Ivandry ny harivan’ny faha-21 jona. Voalaza fa nirongo basy ireo olona naka azy. Sivy andro taty aoriana, nahazo voavao ny polisy avy ao amin’ny BC 4 fa misy Karàna tazonin’olona eny amin’ny tanàna atao hoe Soamanety Ambohidratrimo. Nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nanamboatra ny paik’ady rehetra. Voalaza fa nahita lehilahy iray nijorojoro ivelan’ilay trano voatondro ry zareo. Avy hatrany dia nosamborina io ary nentina niditra tao ami’ilay trano. Hita tao amina efitra iray ilay Karàna. Natao ny fisavana ka tamin’izany no nahitana basy kalaky iray efa bory vava miaraka amin’ny « boîte chargeur » feno bala 28. Nisy basy PA iray koa tratra tao. Rehefa nohadihadiana ilay lehilahy no nanonona ny namany. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy.
Nangonin’i r.s.