Ramatoa iray sahabo ho 45 taona, voasoketa ho mpangala-jaza no naratra mafy nivoa-drà voadaroka, ny asabotsy antoandro teo, tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka kely, tany Toliara. Raha ny fanazavana azo dia avy nivavaka tamin’irony fiangonana zandriny irony ity vehivavy ity no nandeha hiantsena alohan’ny hamonjy fodiana. Teny an-dalana anefa izy dia nisy ankizivavikely sahabo 6 na 7 taona nilaza ho noana mafy, nangataka taminy ka nividianany tapa-mofo, raha ny fiarovan-tenany, ary nentiny nanaraka azy ilay zaza, satria mampalahelo azy hono ! Tsy lavitra ny kianja mitafo ao Tsienengea anefa, dia nihoaka nandoa be tao anaty « cyclo-pousse » ilay zaza sady nalemilemy. Nahita izany ilay mpitondra posy ,dia nijanona sady nitabataba. Taitra ny manodidina raha nandre izany, ka nanatona nijery ny zava-nisy. Gaga ny rehetra nahita an’ ilay ramatoa mipararetran’ny tahotra fa tsy mamonjy akory an’ilay zaza safotra.
Zaza very. Tovolahy iray sendra nandalo tsy lavitra teo, nivily tampoka nijery ihany koa ny zava-misy no nahafantatra an’ilay zaza nitsirara teo amin’ny tany, ka niantso avy hatrany ny ray aman-dreniny. Teo vao fantatra rehefa tonga ny renin’ilay zaza, fa hatry ny maraina ity zaza ity no very tsy hita, nokarohina hatraiza hatraiza, raha ny filazan’ ity renim-pianakaviana ity. Niaka-pofona avy hatrany ny olona raha nandre izany, ka raikitra ny antsoantso sy nidaroka ary namono an’ilay ramatoa voalaza fa mpangala-jaza. Fanontaniana tsy nahitam-baliny kosa tamin’ny fanadihadiana natao : tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ve ilay zaza sa nasiana zavamahadomelina na fanafody fampatoriana ny sakafo nohaniny ?
Eric Manitrisa