Bômba etsy, bomba eroa … Nahitana izany ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, sy teny Talatamaty. Ny sabotsy tolakandro lasa teo, nisahotaka avokoa ireo mpandeha rehetra teny Ivato, rehefa nijanona teo anoloana sakaosy iray ireo alika mpitsongo dia, mpanimbolo ireo zavatra ahiahiana. Nikoropaka avokoa ireo tompon’andraikitra isanisany teny an-toerana, satria dia noheverina fa nisy bômba tao anatin’izany entana izany. Manginy fotsiny ny fiavian’ilay entana, izay tao anatin’ny sidin’ny kômpania Turkish Airlines. Raha ny fampitam-baovao azo, dia ana tantsambo iray izany ity entana ity. Voatery nandray fepetra mahakasika ny resaka fampihorohoroana ireo tompon’andraikitra ary nibata ilay entana nahiahiana haingana sao hoe mipoaka. Tamin’ny fisavana ilay entana anefa no nahafantatra fa, hay entana tsotra sy tsy misy atahorana ilay entan’olona, ary dia naverina tamin’ny tompony ihany izany, rehefa nanaraka ny fenitra rehetra. Fa ny omalin’io, teny Talatamaty indray, samy nikoropaka namonjy ny ainy avokoa ny rehetra tao anatin’ity taxi-be iray, rehefa nisy olona iray toa ninia nametraka kitapo maintimainty teo amin’ny seza aorian’ity fiara. Samy nihevitra avokoa mantsy ny olona fa mety ho nisy bômba tao anatiny. Tao ireo avy hatrany dia nitsambikina teny am-baravarankely, tao kosa ireo nibosesisika nivoaka ny fiara. Raha ny fanazavana azo, dia lehilahy iray no nitondra ilay sakaosy. Nisy niantso tampoka anefa ity farany ary najanony teo ilay kitapo. Tao anaty fitohanana rahateo ny fiara. Somary hafahafa tanteraka ny fihetsik’ity ranamana ity ka isan’ny nahamailo ny iray taxi-be. Rehefa nokitihan’ilay mpanampin’ny mpamily ity kitapo hadino, dia nisy zavatra naneno tao anatiny. Antony nampisahotaka ny rehetra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana teo anatrehan’izany. Ny fanazavana avy tamin’ireto farany no nahalalana ,fa tsy bômba araka ny niheveran’ny maro no tao anatin’ity kitapo ity fa zavatra hafa. Izany rehetra izany dia takaitra taorian’ilay zava-nitranga tetsy Mahamasina, ny 26 jona lasa teo. Maro ireo tsy milamin-tsaina intsony ny amin’ity resaka bômba ity. Dia ho tonga amin’ny tanjona niriany tokoa ve araka izany izay tao ambadik’iny resaka iny, hampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’ny resaka fampihorohoroana, toy ireo mitranga any ampitan-dranomasina any ?
m.L