Mitohy hatrany ny lozam-pifamoivoizana. Ny harivan’ny zoma teo, taxi-be iray no nandratra mpandeha 12 tao ana tiny rehefa avy nandona andrin-jiro iray. Teny Ambatomaro no nitrangan’ny loza. Tsy nisy hatreto ny aina nafoy fa tamin’ireo naratra dia nisy hatramin’ireo tapa-tongotra mihitsy aza. Marihina fa efa nentina teny amin’ny hopitaly avokoa izy 12 ireo ary efa nalefa nody avokoa ny 10 rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Ny roa ambiny kosa mbola nila nanaraka fitsaboana hafa sy fanaraha-maso akaiky satria dia fantatra fa voa mafy tokoa. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza sy ireo sasany tamin’ny naratra dia voalaza fa noho ny tsy fetezana tampoka teo amin’ilay « taxi-be » no nahatonga an’ity farany nivily làlana ka izao nifatratra tamin’ny andrin-jiro izao.
By pass. Ankoatr’izay, fiara Mercedes iray ihany koa no nivarina an-tanimbary rehefa avy nandona « borne » omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. Tsy fantatra hatreto izay tena nahatonga ny loza fa naratra ihany koa ireo olona tao anatiny vokatr’izany. Niala teo amin’ny toerana nisy azy mihitsy ilay « borne » rehefa avy nodomin’ity fiara ity. Potika ihany koa ilay fiara. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy. Marihina fa olona manodidina ny 5 eo no tao anatin’ity fiara ity, izay efa nentina teny amin’ny hopitaly avokoa. Ny olona nahita ny zava-nitranga no nifarimbona nanala ilay fiara tao an-tanimbary.
Niony H.