- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Fifanenjehan’ny jiolahy sy ny pôlisy, vehivavy bevohoka iray voatifitra tsy...

Andranomanalina : Fifanenjehan’ny jiolahy sy ny pôlisy, vehivavy bevohoka iray voatifitra tsy nahy

Vehivavy mitondra vohoka iray no naratra mafy, rehefa voan’ny bala tsy nahy, nandritra ny fifanenjahan’ny jiolahy sy ny pôlisy teny amin’iny faritra Andranomanalina iny, ny alahady hariva lasa teo. Raha ny zava-nitranga raha ny fanazavana azo dia nisy vehivavy noendahina telolahy teny amin’iny faritra iny, tokony ho tamin’ny fito hariva teo ho eo. Handeha hamonjy fodiana ity vehivavy ity raha ny fampitam-baovao azo hatrany, ary efa nandrasan’ireto tontakely ireto kendry tohina mihitsy. Noho ity toerana ity, izay voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana dia manao fisafoana tsy an-kijanona ireto mpitandro filaminana. Sendra an’ireto farany, ny antso vonjin’ilay ramatoa voaendaka ka niroso avy hatrany tamin’ny fifanenjahana tany anaty elakelan-trano ireo pôlisy sy ireo olon-dratsy. Nirefodrefotra ny basy teny an-toerana, nifamalian’ireo nenjehina sy ny mpanenjika. Teo anefa no nitranga ny tsy nampoizina satria nisy vehivavy nitondra vohoka nipoitra tampoka avy any. Voan’ny bala tsy nahy teo amin’ny tongony ity ramatoa ity, ary naratra mafy. Niato teo ny fanenjehana ary tafaporitsaka noho izany ireto tontakely. Tetsy andanin’izay kosa, ny famonjena ity olona tsy manan-tsiny ity no lasa vain-dohan-draharahan’ireto mpanenjika. Voatery nentina teny amin’ny tobim-pitsaboana ilay ramatoa noho ny ratra nahazo azy. Fantatra raha ny vaovao voaray hatrany fa manohy tsy an-kijanona ny fisafoana eny an-toerana ireto mpitandro filaminana. Mitohy ihany koa ny fikarohana ireto olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici