- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahadinta : Zaza very, efa tsy nisy taova intsony vao hita

Antsahadinta : Zaza very, efa tsy nisy taova intsony vao hita

Mandry tsy lavo loha ny vahoaka ankehitriny. Ankoatra ny famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana misesisey dia mirongatra indray ankehitriny ny halatra taova. Ny alatsinainy 27 jona lasa teo, zazavavy kely roa izay mpiray tampo, 10 taona sy 7 taona, mipetraka eny Ambanidia Ambatoroka no voalaza fa very. Marihina fa nirahina niantsena izy ireo manodidina ny tamin’ny 2 ora sasany hariva tamin’io andro io. Taorian’izay, tsy niverina nody intsony izy ireo. Nojerena sy nanontaniana daholo izay toeram-pivarotana sy tsena falehan’izy ireo fa tsy nisy nahatsikaritra azy roa vavy mihitsy. Tsy nisy nahita izay làlana nalehan’izy ireo ihany koa na ny toerana izay misy azy ireo nanomboka teo. Tsy fantatra ihany koa na nisy olona nitondra izy ireo tamin’izany na tsia. Notetezina hatramin’ny havana rehetra fa very maina ihany. Nirosoana araka izany ny fampandrenesana ny tompon’andraikitra ny mahakasika an’izay sy ny fikarohana rehetra fa tsy nahitam-baliny mahafa-po. Ny zoma 1 jolay teo anefa, nisy nampiantso tampoka ny ray aman-dreniny izay nilazana fa hita faty teny Antsahadinta ireo zanany roa vavy voalaza fa very ireo. Notaterina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty ny razana ahafantarana ny zava-nitranga nitarika ho amin’ny fahafatesan’ireto zaza tsy manan-tsiny ireto. Taorian’ny “autopsie” natao azy ireo, akory ny hagagan’ny rehetra raha nahalàla fa efa tsy nisy taova intsony ireto zaza hita faty ireto. Efa nadio avokoa ny tao anatin’izy ireo. Heverin’ny fianakaviana ary tsy isalasalan’izy ireo araka izany fa tena nisy nangalatra ny taovan’ireto farany. Efa nalevina ny razana ary efa eo am-pelatànan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ahafantarana izay tena ao ambadik’izao trafikana taovan’olombelona miseho lany izao.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici