Isan’ireo ankizy nanala ny fanadinana CEPE teto Antsirabe ny zaza manana fahasembanana ara-pahitana avy amin’ny foibe FOFAJA. Miisa 5 mianadahy izy ireo no naka fanadianana, telo vavy ary roa lahy; 15 taona no lehibe indrindra amin’izy ireo raha toa 12 taona kosa ny zandriny indrindra. Ao amin’ny foibem-panadidina CEG Ambilombe no misy azy ireto, marihina fa isan-taoana saika ity sekoly ity hatrany no mandray azy ireo. Iraisana amin’ny rehetra ihany ny laza adina saingy efa nisy kosa ny laza adina voadika amin’ny soratra “Braille” avy any amin’ny ministera mihitsy no manao azy fa hatrizay mantsy dia miandry ny laza adina tonga aty Antsirabe vao mamadika azy ny tompon’andraikitra. Nizotra nilamina tsy nahitana olana ny fanadinan’ireo jamba ireo, vao maraina be dia efa saika tonga teny amin’ny foibem-panadinana izy ireo na dia namirifiry tokoa aza andro.
Ny FOFAJA dia mitaza sy mampianatra ireo ankizy manana fahasembanana eo amin’ny fahitana, isan-taona dia misy hatrany ireo ankizy no maka fanadinana ka 100% ny taham-pafahana tamin’ny taon-dasa. Mahatratra 75 ny isan’ny ankizy ao amin’ny kilasy dingana voalohany eto Antsirabe, eto Antsirabe no misy ny foibe nasionaly, fantatra kosa fa efa ahitana sampana any toliary, farafangana, Toamasina ary Mahajanga.
Fa nizotra tamim-pilaminana kosa amin’ny ankapobeny ny tao amin’ny ivom-panadinana CEG Ambilombe, 97% ny tahan’ny fahatongavana araky ny tatitra nomen’i Telen-tsekoly Rtoa Ralisaona Aurore. Tamin’ny 7 ora sy sasany dia efa saika tonga avokoa ireo kilonga kely niatrika ny fiantsoana anarana na dia namirifiry tokoa aza ny andro. Fantatra fa rahampitso ihany dia hiroso amin’ny fitsarana ny tompon’andraikitra ary ny sabotsy izao dia efa hivoaka ny valim-panadinana ho an’Antsirabe.
Andry N.