- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be : Mahazo vahana ny halatra finday anaty fiara

Taxi-be : Mahazo vahana ny halatra finday anaty fiara

Tato anatin’ny herinandro maromaro, mitombo isa ireo mpandeha amin’ny taxi-be mitaraina ho very finday. Araka ny fantatra tokoa mantsy, lasibatr’ireo mpangarom-paosy ny telefonina. Tsy vitsy ireo olona mahamarika ny fihetsik’ireo mpangalatra saingy tsy misy sahy miteny fa mikombom-bava fotsiny. Hafa dia hafa ny fiasan’ireo olon-dratsy. Tsy mandeha irery fa manao andiany eo amin’ny telo eo. Tsy miara-miditra izy ireo fa misy elanelany, hoy ny filazan’ireo efa nahita. Raha vao avy mangarona paosy ny iray dia tsy mitazona izany fa omeny ilay namany iray manaraka azy avy aoriana. Amin’izay mantsy raha tratra izy ka savaina dia tsy misy na inona na inona any aminy. Dia sahala izany hatrany. Nanamarika hatrany ireo mpandeha mahafantatra ny fanaon’ireo jiolahy fa saika mitovitovy hatrany ny fihetsiny sy ny fomba fihakanjony. Mibaby kitapo avokoa izy ireo. Olona tsara fitafiana raha ny fijery azy ary tsy fantatra mihitsy fa mpangarom-paosy. Ankoatra izany dia misy koa ny mahamarika fa manana fitaovam-piadiana toy ny antsy any ambalahany any ireny jiolahy anaty fiara fitanterana ireny.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici