- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Tokantrano roa notafihana tamin’ny basy kilalao

Andoharanofotsy : Tokantrano roa notafihana tamin’ny basy kilalao

Trano roa no indray notafihan’ny jiolahy tao anatin’ny alina iray. Tetsy Andoharanofotsy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, ny alahady teo no tonga nanafika niaraka tamin’ny basy ny valo ka hatramin’ny folo lahy. Nasaina niondrika tamin’ny tany ny olona tao an-trano ary nalaina ny firavaka tao an-trano. Tao amin’ny tokantrano voalohany dia tena najifa tanteraka izay entana rehetra azo nobataina. Tsy nijanona tamin’ny firavaka sy ny vola fotsiny ireo olon-dratsy fa nobatainy hatramin’ny solosaina sy ny kojakoja rehetra miaraka amin’izany. Tsy nionona tamin’izany ireo mpanafika fa nifindra trano hafa indray, teo amin’ny manodidina ihany. Nitovy ihany ny fomba fanafihan’ireo, izany hoe nisy ny niditra rehefa nodakany ny varavarana ary nisy ihany koa ny niambina avy aty ivelany. Nitovy tanteraka ny fisehon’ny fanafihana sy ny zavatra nentin’ireo olon-dratsy maromaro. Nasaina niondrika tamin’ny tany ny tompon-trano ary tao anatin’izany ny nibatàna izay zaka. Nisy nahatsikaritra fa toa basy tsy tena izy ireo nampiasaina tamin’ity fanafihana ity. Na izany aza anefa tsy nisy sahy nirohotra satria sao tena fitaovam-piadiana tampoka ka hitera-doza. Ireo mpanafika rahateo maro an’isa, betsaka noho ny olona tao an-trano hany ka naleon’ny tompon-trano nitadrina…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici