Rangahy iray no nofaohin’ny fiara sprinter teny Tombontsoa Antsirabe, omaly alarobia. Araka ny fantatra dia voa mafy tokoa ilay rangahy ary miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny hopitaly Andranomadio amin’izao ora anoratana izao. Nambaran’ny mpitsabo fa tena henjana ny mahazo ilay rangahy satria ny lohany no tena voa mafy tokoa.
Omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no nisehoan’ny loza tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny, fiara mpitatitra olona hizotra ho any Antananarivo no nifaoka ilay rangahy. Raha ny nambaran’ny nanatri-maso ny loza dia somary naka ampovoan-dalana ihany ilay rangahy, nifanena tampoka tamina fiara hafa anefa ity sprinter ka voatery naka sisiny. Tamin’izay no nahavoafaoka ilay rangahy, ka ny “retroviseur”n’ilay fiara no nidona mafy tamin’ny lohany. Nitsikasina tamin’ny arabe avy hatrany ilay rangahy ary tsy nahatsiaro tena intsony. Nifamonjen’ny olona izy ary nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tamin’ny ora nandalovan’ny mpanao gazety teny amin’ny hopitaly dia voalaza fa tsy mbola mahatsiaro tena ilay rangahy.
Tsikaritra koa fa saika efa niverina simba avokoa ny lalam-pirenena fahafito mandalo an’Antsirabe izay nasiana fanamboarana farany teo,ary vao mainka aza nitombo avo roa heny noho ny teo aloha ny fahavoazana, satria nanjary lavaka be mikodana ireo tip top natao. Raha toa ka tsy misy ny fandraisana an-tanana haingana ireo lalana simba dia mety ho loza hafa indray no hahazo ny mpampiasa azy, ankoatra ny loza aterany.
Andry N.




