- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN9 : Tovolahy 17 taona maty tsy tra-drano nitsahin’ny fiara

RN9 : Tovolahy 17 taona maty tsy tra-drano nitsahin’ny fiara

Nisesisesy tao anatin’ny andro vitsy ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena fahasivy iny. Zazalahy iray 17 taona no maty tsy tra-drano nohitsahin’ny fiara, ny asabotsy lasa teo, tao Ankorondamoty Ankililoaka, distrikan’i Toliara II. Handeha hody any amin’ny ray aman-dreniny any Antanimeva haka ny saram-pianarany tany, hiatrehana ny fanadinana famaranana ity tovolahy mpianatra amina sekoly katolika iray ity no nofaohan’ny fiara iray manamboatra lalana, ka namoy ny ainy tsy nialana nenina akory. Notazomin’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamily nahavanon-doza.

Tsy nijanona ny fiara nahavanon-doza. Fa lehilahy iray nitondra irony “moto mac 36” irony kosa no naratra mafy teo amin’ny lohany, afak’omaly, nodomina fiara mpitatitra iray mampitohy an’i Toliara sy Ifaty. Voatery nalefa taty an-drenivohitra ny niharam-boina omaly fa tsy vita tany an-toerana intsony ny fitsaboana azy. Mbola tamin’iny RN9 iny hatrany, saingy omaly kosa, dia lehilahy lehibe iray 60 taona mahery nandeha bisikileta no nofaohan’ny fiara 4×4 iray tao Madiorano, ka naratra mafy tapa-tongotra, ary mbola tsy nahatsiaro tena tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, raha ny vaovao voaray. Tsy nijanona kosa ilay fiara nahavanon-doza fa nirimorimo be nanohy ny diany hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici