Kamiô roa, tany amin’iny distrikan’i Mandoto iny no niharan’ny tifitra variraraka avy tamin’ireo jiolahy mpanakan-dalana, teo amin’ny lalana mampitohy an’Ankazomiriotra, omaly vao mangiran-dratsy. Araka ny fampitam-baovao azo dia am-polony maro teo ireo olon-dratsy, izay toa niandry kendry tohana ny fandalovan’ireto fiarabe roa ireto. Malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana iny faritra iny, ary na dia efa niomana sy nifanaraka aza ireto fiarabe mpanangom-bokatra ireto dia mbola sahin-dry zalahy ihany ny nanafika. Nirefodrefotra ny basy, niantefa teny amin’ireo fiarabe. Efa vonona tamin’ny rehetra anefa ireto fiarabe ireto, ary ny tsy fantatr’ireo olon-dratsy dia efa nisy zandary nanaraka tao anatiny. Tsy nisalasala ireto farany nandray ny andraikiny ka namaly tifitra ireto olon-dratsy. Tsy nampoizin’ireto mpanankan-dalana ny valin-kafatra fa nirifatra nitsoaka, nafenin’ny haizina izy rehetra. Avotra soa aman-tsara araka izany ireto fiarabe izay efa saika lasibatr’ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra ity fifampitifirana ity. Ny vatan’ireo fiara kosa no feno diam-bala. Amin’izao tokoa dia fantatra fa efa misy ny paik’ady ataon’ireto mpitandro filaminana any amin’ireny toerana sokajiana ho faritra mena amin’ny asan-jiolahy sy asan-dahalo ireny, hiarovana ny ain’ireo mponina.
m.L




