- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Mpitondra moto nisongona kamiao, maty voahitsaka

Sabotsy Namehana : Mpitondra moto nisongona kamiao, maty voahitsaka

SABOTSY-NAMEHANANikoriana ny rà, nameno ny arabe tetsy Sabotsy Namehana, omaly tolakandro manodidina ny tamin’ny 3 ora hariva tany. Tovolahy iray nitondra moto no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao. Vory nitangorona avokoa ireo olona raha nahita ny loza niseho. Ny fanazavan’izy ireo no nahalalàna fa nandeha mafy tokoa ilay moto, izay mbola niezaka nisongona ilay kamiao nandeha teo alohany ihany. Rehefa tonga teo amin’ny fiolahan-dàlana anefa dia nifanena tamina fiara Sprinter iray izay sendra azy tampoka ilay moto. Niezaka niala izany ilay tovolahy hany ka nianjera nifatratra tao ambanin’ilay kamiao no niafarany. Avy hatrany ity farany dia notatazan’ireo kodiarana avy ao aoriana ka voahitsaka notetezin’ilay kamiao ary dia maty tsy tra-drano. Marihina fa tovolahy mipetraka manodidina eny ihany ity niharan-doza ity, ary vao 26 taona monja. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” ny Polisin’Avaradrano.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici