Tranga hafa kely no niseho tany Taolagnaro, ny alarobia lasa teo. Razana sendra tafaraka zotra iray tany anaty « avion » no nifamadika ka diso toerana nahatongavana. Raha zohina ny zava-nitranga, voalaza fa nisy pasitera narary izay nitsabo tena taty Andrenivohitra nindaosin’ny fahafatesana. Tsy maintsy nalefa fiaramanidina anefa ny razana mba tsy hahatara ny fikarakarana rehetra sy ny fandevenana azy. Tsy io razana io irery anefa no nentin’ilay fiaramanidina, fa nisy iray hafa koa. Nifamadika anefa ireto farany rehefa tao anatiny tao satria samy tsy nisy marika manokana. Rehefa tonga teny amin’ny toeram-piantsonana ilay voalaza fa vatana mangatsiakan’ilay pasitera, dia notsenain’ny fianakaviany sy ny mpivavaka tsy tamin’ahiahy. Nisy ihany ny nahatsikaritra fa somary nihakely ilay vata raha oharina amin’ilay haben’ilay maty, saingy tsy mbola nanana eritreritra ny hanokatra izany mihitsy ny tsirairay, satria efa vita taty Andrenivohitra avokoa ny fanasana sy famonosan-damba ny maty. Natao ny fiaretan-tory sy ny fombafomba rehetra. Nony tonga teny am-pasana anefa, akory ny hagagan’ny fianakaviana rehefa nosokafana iny ilay vata ho fanaovam-beloma farany an-dratompokolahy, fa fatin’ankizivavy vao 19 taona monja no tao. Voalaza fa tao Toliary no nampifamadika ireto razana ireto. Nandray ny fanapahan-kevitra hampilaza ireo tompon’andraikitry ny sidina avy hatrany ireo fianakaviana sy ny mpivavaka ary miandry ny fahatongavan’ny tena razan’ilay pasitera.
Niony H.