Baiko nomen’ny tale provinsialin’ny filaminam-bahoaka Toamasina ireo sampan-draharahan’ny polisy eo ambany fifehezany, ny polisy tsy maintsy mahazo vokatra, sy mametraka ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny fananany, ary ny fiaraha-miasany amin’ny andrimasom-pokonolona.
Noho io baiko midinan’ny tale provinsialy io, dia misy hatrany ny vokatra eo anivon’ny polisim-pirenena ao Toamasina. Voalohany dia ny fahatrarana an’ingahy “John Bord” sy ny namany iray izay jiolahy mampahory ireo mpaka vola amin’ny finday. Raha ny fanazavana, dia misy telo izy ireto no mpiaraka, ka ramatoa iray avy naka vola nandalo teo amin’ny “cite duplexe” no tratran’izy ireo izay efa narahan’izy ireo akaiky. Ny fitarainan’ity ramatoa voarava vola avy nalainy ity, tonga teo anivon’ny polisy no nahatonga ny fanaraha-maso azy ireo, ka izao nitarika ny fahatrarana ny roa tamin’ny izy telo lahy ireto. Raha ny vaovao farany, dia miandry fitsarana am-ponja izy roa lahy ireto raha niakatra fitsarana omaly.
Ny faharoa kosa dia ny fahatrarana ilay mpanendaka izay efa tena nikoizana tao Andranomadio, izay tsy mifidy horavana fa izay tratra alina dia voaendakany avokoa na lahy na vavy na mandeha andiany koa aza. Ny fiaraha-miasan’ny polisy sy ireo andrimasom-pokonolona ao Andranomadio izay efa tena matotra no nahatrarana azy ity. Roa lahy izy ireo no tena mpiaraka ary mampiasa antsy lavalela mandritra ny fanendahana ataony, ka ireo mamaly azy dia vonoin’izy ireo avy hatrany. Ny vaovao farany ihany koa raha nandalo fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ity mpanendaka ity omaly, dia namoahan’ny fitsarana didy miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy alohan’ny fitsarana azy aloha.
Ankoatra izany, dia ny fahatrarana ity mpivarotra rongony tao Tanamakoa P/elle 12/13. Izay nahatrarana rongony fonosana 50 be izao. Voalaza fa ity mpivarotra rongony ity no mpamatsy rongony ireo toeram-pifohana ao Tanamakoa P/elle 12/12 sy P/elle 12/13 ary Tanambao V izay tsy mifanalavitra. Ny tena loza mitatao dia miha-ankizy no mivatsy rongony amin’ity rangahy ity ka mahatonga ny resaka “foroche” miha-mahazo vahana ao Toamasina, satria miha-ankizy sy miha-mpianatra ny mpanendaka izao…
Malala Didier