- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN13 Betroka : Kamiao nitondra rongony 300 gony, voasakan’ny zandary

RN13 Betroka : Kamiao nitondra rongony 300 gony, voasakan’ny zandary

Ankoatra ny tsy fandriampahalemana, dia mirongatra ihany koa ankehitriny ny aferana rongony. Ny alarobia maraina vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 1 ora teo, kamiao iray hihazo ny distrikan’i Betroka, izay nitondra gonin-drongony maro dia maro no tra-tehaky ny zandary. Tao Lagnana, amin’ny làlam-pirenena faha-13, manelanelana an’i Betroka sy Ihosy, no nitrangan’izany. Raha ny fanazavana voarainay avy tamin’ny teo anivon’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Betroka, izay misahana ity raharaha ity, dia saika tsy nijanona ity kamiao ity rehefa nahatsikaritra ireo zandary nanakan-dàlana. Noho izany, notifirin’ireto farany ny kodiaran’ilay kamiao, saingy mbola tafaporitsaka nitsoaka ihany ilay saofera sy ilay voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina ity. Ilay mpamily mpanampy no hany sisa tratra farany tao. Rehefa natao ny fisavana ilay fiara, dia nahitana gonin-drongony  300  tao anatiny. Fantatra taorian’ny fanadihadiana an’ilay mpamily mpanampy fa, avy any Andriry Bemaha izy ireto ary saika haterina ao Ihosy. Fantatra ihany koa fa olona mpanambola eto Andrenivohitra no tompon’ireto rongony saika haondrana an-tsokosoko ireto. Efa nentina eny amin’ny biraon’ny zandary any Betroka ilay mpamily mpanampy anaovana ny fanadihadiana rehetra. Ilay kamiao kosa notarihana ho any Betroka, satria vaky « pneu ». Efa mandeha arak’izany ny famotorana ary efa eo am-pelatanan’ny tomponandraikitra ny raharaha ka andrasana izay mety ho tohiny. Etsy ankilany, mampanontany tena ihany ity firongatry ny aferana rongony any Ihosy sy Betroka ity. Tsy misy mihitsy fidinana ifotony ataon’ireo tomponandraikitra, hany ka mampiitatra ireo fambolena rongony any an-toerana. Ankoatr’izay, toa nanjary nanjavona tsy nisy tohiny intsony ihany koa ilay raharaha nahatrarana rongony 131 gony tany Ihosy, ny 4 mey lasa teo, izay nahavoarohirohy manampahefana ambony eto amin’ny firenena. Manoloana izany, tsy vitsy ireo olona izay maneho sahady ny ahiahiny ny amin’ny mety hanjavonan’ity raharaha ity, raha tsy misy fanaraha-maso akaiky sy fanapahan-kevitra hentitra raisin’ny fanjakana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici