- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

# – Ambohimamory. Mpamaky fiara iray voasmbotra. Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny poste de police Loharanombato tao Ambohimamory ny 06 jolay 2016  tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, ny tovolahy iray mpamaky  fiara. Tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny ity lehilahy 26 taona  ity,  antsoina hoe Andry, izay tsy fantatra mazava ny toerana ipetrahany. Mbola nahitana ireo kojakojana fanolo amin’ny fiara tao anaty entany, miampy ireo fitaovam-piasana momba ny fiara maromaro. Tamin’ny fanadihadihana natao taminy dia niaiky ny heloka izy fa nangalatra ary nilaza fa vao tera-bao ny vadiny ka izay no nahatonga azy nangalatra ireo kojakoja ireo fa ny foto-pivelomany mivarotra sambos, efa tsy maharaka intsony. Eny amin’ny faritra Ampitatafika sy Avarabohitra no toerana fanaovany halatra amin’ny fiara.

# -Ambodifilao. Olona 08 no voasambotra. Olona valo no nosamborin’ny polisin’ny boriboritany voalohany ny 04 jolay 2016  tokony ho tamin’ny 10 ora  teny amin’iny faritra Ambodifilao iny nandritra ny fisafohana natao. Olona  roa no voasambotra teo Ambodifilao Analakely ny 04 jolay. Ireo indray no nanoro ny nividianany io zava-mahadomelina io. Nandeha teny antoerana ny tompon’andraikitra ka vehivavy roa nivarotra rongony no tratra tao niaraka tamin’ny fonosana rongony maromaro. Ireo indray no nanoro ny fifidianany izany eny Ambohimanarina. Tonga teny ny polisy ny 06 jolay 2016 vao maraina ka tovolahy iray no  tra-tehaka izay anisan’ny mpamongady io rongony io. Mbola nahitana olona 04 nilahatra nividy  teo ivelany tamin’io fotoana io izay noentina  natao fanadihadihana avy  hatrany.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici