Telo mianaka izay voalaza fa hamonjy fahoriana any avaratry Toliara no tsy hita popoka hatramin’izao, izay tsy fantatra hoe : maty na velona. Niala tao an-tranony tao Betania Toliara izy telo mianaka ireto, ny marainan’ny zoma 1 jolay lasa teo. Gaga anefa ny havany any amin’ny kaominina Analamitsampy, Distrikan’i Toliara II, fa tsy tonga tany amin’ilay fahoriana novonjena tany izy telo mianaka, na dia efa niantso mialoha tamin’ny finday, fa ho tonga any an-toerana ny harivan’io ihany. Vita ihany ny fandevenana ny alatsinainy lasa teo, kanefa tsy nipoitra ireto fianakaviana. Nantsoina amin’ny finday tsy mety azo mihitsy. Voatery nanontany ny havan-dramatoa monina ao Toliara ny fianakavian’ilay rangahy, ary nilaza ireo fa lasa namonjy fahoriana any Analamitsampy izy telo mianaka. Tsy nionona teo ny fianakaviana fa nandehana tany an-tranon’izy ireo, nefa trano mihidy novantanan’izy ireo. Nilaza ny teo amin’ny manodidina sy mpiara-monina izay gaga sy talanjona raha nanontaniana, fa hatry ny zoma ny olona mipetraka ao amin’io trano io no nandeha any ambanivohitra, raha araka ny fanazavana azo. Manahy noho izany ny fianakaviana, fa hatramin’ny omaly tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy hita popoka, ary tsy nahazoam-baovao izy telo mianaka ireto.
Eric Manitrisa