Fakàna volabe, fandrahonana, ary fikasàna ny haka an-keriny. Isan’ireo vesatra anenjahana ireto telolahy voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny omaly. Araka ny fampitam-baovao azo dia nilaza fa mpitandro filaminana ireto telolahy niaraka tamin’ny vehivavy iray, ary tonga hisambotra ity ramatoa iray mpivarotra teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Ny tantara mantsy, manana trosa amina mpandraharaha iray eny an-toerana ity vehivavy ity. Ary angamba noho izay no nanararaotan’ireto milaza ho mpitandro filaminana an’ity ramatoa ity. Nilaza mantsy izy ireo fa hoe misy “plainte” napetrak’ilay mpandraharaha any amin’izy ireo ka tonga hisambotra izy ireo. Taorian’izay anefa no niseho ny maha-mpisoloky ireto olona ireto, satria nilaza ireto farany fa raha “manome vola ilay ramatoa dia halamina ny raharaha”. Nandà avy hatrany izany anefa ity ramatoa ity, ka nirarakompana ny fandrahonana isan-karazany. Tonga hatrany amin’ny hoe halain’izy ireo an-keriny ny zanak’ity mpivarotra ity raha tsy manaiky ny handoa vola izy. Tsy nisalasala ireto farany nitaky vola roa tapitrisa ariary tamin’ilay ramatoa, mba handaminana ity raharaha ity. Tsy nanaiky hatramin’ny farany izany fandrahonana rehetra izany ity renim-pianakaviana ka nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, nanokatra ny fanadihadiana. Mora tamin’izy ireo ny namandrika ireo mpisoloky rehefa mody nanaiky ny handoa vola ilay ramatoa. Voasambotra tamin’izany ny lehilahy iray, ary taorian’ny fanoroan’ity olona ity ny namany, dia nisy iray hafa ihany koa voasambotra. Araka ny fanazavana azo dia mbola misy naman’izy ireo anankiroa karohina fatratra amin’izao. Omaly ihany ireto mpisoloky ireto dia nohenoina teny anivon’ny Fampanaovana ary nampidirina avy hatrany eny Antanimora.
m.L