- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN 7 : Mpanakan-dalana miisa dimy voasambotra

RN 7 : Mpanakan-dalana miisa dimy voasambotra

Malaza amin’ny asan-jiolahy maro samy hafa ny lalam-pirenena faha-7, indrindra amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Nanao hetsika ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ka fantatra fa olona dimy amin’izao fotoana izao no voasambotra. Ny fanafihana farany fantatra dia ny tamin’ny faha-2 jolay teo. Vetivety dia nahazo vaovao ny zandary ary nidina tany amin’ilay toerana. Tamin’izany no nahatratrarana olona iray tao amin’ny toerana Ankatsaka, kaomina Ivato-Centre. Rehefa nofotorana io dia nilaza sy nanoro ny namany. Nitohy ny fahadihadiana ary nisy ny fisavana ny tranon’ireo voatondro.  Hita tamin’izany ny entana maro very tamin’ny fanafihana, toy ny tablette, tapis, sy zavatra maro hafa. Ankoatra ireo, tratra ihany koa ny fitaovam-piadina fitondran’ireo olon-dratsy, basy roa ka ny iray vita gasy, antsy lava sy famaky. Ampahan-dalana mangina anelanelan’Ivato Centre sy Ambatofitorahana no misy fanakanan-dalana matetika. Mampahatsiaro ny taona ampolony maro lasa izany, hoy ny mpanara-baovao, satria tamin’iny ampahan-dalana iny no nisy ny toerana antsoina hoe « duralex » izay nanjakan’ny mpanakan-dalana nampivarahontsana ny mpampiasa ny RN 7.

Anio no hatolotra ny Fampanoavana ireo olona dimy tratra ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici