Hatairana ny an’ity renim-pianakaviana iray 34 taona izay bevohoka fito volana monina ao Andakoro Toliara ny alatsinainy teo. Poritra izy dia nivoaka tamin’ireny W.C vita gasy milingilingy ireny. Raha vao nanena ilay vehivavy mba handatsaka ny dikiny, dia indrisy fa ilay zaza no latsaka ary nihosina maloto tanteraka. Taitra ilay ramatoa ary niantso vonjy. Tonga ny manodidina ary nosikirina ilay zaza. Soa ihany fa marivo efa hanomboka ho feno ny lavaky ny trano fivoahana ka avotra soa aman-tsara ny menaky ny ainy. Nomarihan’ny loharanom-baovao fa isaky ny teraka ity ramatoa ity dia tsy azo foana ny zanany. Talohan’izao, bevohoka efa-bolana izy, nefa afaka. Nivoady moa ity renim-pianakaviana ity fa tsy hiteraka intsony ary ity zanany latsaka tao anaty W.C ity no mba antenainy.
Manitrisa