- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Mpangalatra akoho amam-borona maty voakapa famaky

Morombe : Mpangalatra akoho amam-borona maty voakapa famaky

Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Lehilahy iray 39 taona no namoy ny ainy voakapa famaky tany Morombe, afak’omaly. Teo am-pangalarana akoho amam-borona tamina fisokona tokantrano iray vao maraimbe, tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any, ity jiolahy ity no tra-tehaky ny tompon-tanàna, taorian’ny kotaba nisy, ka nanaitra ny tompon-trano. Nivoaka nijery ny zava-misy ilay mpiompy sy ny zanany lahy. Rehefa nosamborina ity mpangalatra dia nanohitra ary saika hamono ireto mpianaka nisambotra azy tamin’ny  antsy lava lela nentiny. Voatery niaro tena izy mianaka, ka niatefa teny amin’ny sorok’ilay mpangalatra ny diam-pamaky. Nihijitra ny rà, ary 20 minitra taorian’izay dia tapitra ny ain’ ilay mpandroba. Tsy nisy nahafantatra an’ity jiolahy namoy ny ainy ity ny mponina teo an-tanàna. Mba hisorohana ny mety ho valifaty hataon’ny fianakavian’ilay jiolahy namoy ny ainy, dia nesorina teo an-tanàna ary nafindra any an-toeran-kafa ireo voatafika, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici